Hankaiza intsony (Rebika)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Satria ve metimety  indray ny fiainanao izao
Dia manitsaka ahy kely efa resy
Ianao miteroterona amin’ny zava-baovao
Ny ahy dia efa tonta, teo ihany no nasesy.

Ary ’lay fitiavanao toa  nifindra lasy
Niantoraka an-tratran’olon-kafa
Nipitrapitra teo ’ty fo nangasihasy
Hankaiza anefa moa fa dia mijafajafa.
          
     ftgwis              Voadintsika taloha, fady izay hizara roa
                  Na mahantra na harena
                  Hadinonao ilay fanekena, nekena

        Fiv:
             Io volana io raha mba azoko nalaina
             ivqhxgsw Notakariko raha izay no mba tiany
         tononkira.serasera.org     Angamba izy tsy nanitan-tsaina
             Raha nomeko izay rehetra niriny.

Ireo taona maro niriariavantsika
Nopotehanao nanaovanao ditra
An-kafa misy mamy ho tsetsafina
Tanana mitsotra manafosafo anao

Ny aty mipitrapitra manganohano
Mijery anao toa te hitomany
Ny hany teny kely mba sahiko ho tenenina
Ny aty maneninenina te hahitanao miverina

                     ward  Voadintsika taloha ....

            Fiv : Io volana io ....

Hankaiza intsony ary aho...
Hankaiza  intsony ...
Ooo...

Heritiana (REBIKA)

--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Rebika
Vangy : 7407
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Chrystian Rakotovao
Daty : 12/06/2003 13:22
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0376