Voninkazo dia (Ramih)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Lazaiko anao,
F’iny resaka iny ihany no tsy nampatory ahy
Satria kilalao,
Sangisangy tsisy varany ilay valin-teniny
Dia indro ianao,
Fa nanidy moramora ny varavarana
Nidify, nandao
Na dia efa ela teny aza,
Izaho nihafy toy ny zaza
Niandry izay valiny

Mamiko ny hiara-dia
Aminao fa tsy
Tsy haiko ny milaza

Avelao aho,
Mba ho namanao raha tena tsisy ilay fitia
Fa mafy loatra
Ilay miandry, miahiahy andro amam-bolana
Raha tsisy akory
Izay heverinao fa sombiny mba mety ho ahy
Hanaiky sy hino,
Na dia efa niandry fatratra
Kay manindrona mandratra ilay voninkazo dia

Mamiko ny hiara-dia
Aminao fa tsy
Tsy haiko ny milaza
Ny fitia raha minia
Dia toy ny voninkazo dia
Tiana anefa tsy tia
RAMIH
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ramih
Vangy : 264
Mpankafy : 3 Ankafizo
Nampiditra : Ramih048
Daty : 08/09/2025 14:21
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0096