Zoky hanariko (Ramih)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Zoky a, miala tsiny iii…..Raha mananatra anao ity zandry
Angaha ianao tereny mafy iii
… ka tsy mba afaka miafy
Fa toa maraina vao mifoha
Dia efa miandry ‘zay bara ivoha
Tsy mahalala ity andro ririnina
Ny vavony amin’io, tsy misy n’inon’inona
Misy olana angaha ?
Mianjady anao
Sa dia efa, andevoziny tsotr’izao
Toa mila isan’andro, miala vazony hatrany
Dia mba aiza ho aiza moa no hiafarany
Na ny andro aza moa tsy fantatrao
Fa dia lazainao Week-end lava zao
Miala tsiny aho zoky raha miteny
Hoe : “ianao ve mbola mendrika ho ray aman-dreny”?
(i)Zah(o) tsy miteny hoe ratsy ‘ilay rano mahery
Fa ny fankafizanao azy mba fero kely
Aza raisina ahatezitra na koa hoe fanarabiana
Fa Tsy andaniako rora akory raha olon-tsy tiana
Jereo ny zanakao tsy zarizary,
Atsy ho atsy angamba ho faty mosary
F’aleonao mitsaky sy kopazy
Toa izay ivimbina sakafo mba ho azy
Zoky a, miala tsiny ee,
Raha mananatr’anao ity zandry iii
A/C : RAMIH
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abordA propos
Artiste : RamihVisites : 339
Préférés : 1 J'aime
Ajouté par : Ramih048
Date : 08/09/2025 14:27
