Masoso-paty (PRINCIO)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Indray andro aho mba nitory fitia taminao ry Caren aDia natositosikao ka savosavolaina no sady tena oainina a
Fa hozy teninao hoe zah tsy mila bandy raha tsy mpanan-karena
Avy hatrany dia namaly aho hoe: Caren a, mbay fa ratsy saina legona ah.
Dia avy eo indray aho nitory fitia tamin-dry Prisca
Satria 'ty foko kely be fitiavana ity no mba namporisika ahy.
Dia hozy tenindri hoe raha bandy mafy azy aza misisisisika ah.
Dia namaly aho hoe zah koa tsy marisika Prisca fa ndana ndri mipitsika.
Taty aoriana kely nitory fitia taminao Cristelle
Fa tena maka L no toa kizitim-belona ilay mademoiselle
Fa hozy teninao hoe raha bandy tsisy bôby aza manelingelina
Dia namaly aho hoe Cristelle aza be style fa mahasosotra eo le.
Dia avy eo indray aho mba nitory fitia tamin'ikala Maya
Fa tena oay a, fay aho, fay aho, nataon'i kala mamay ah.
Dia hozy teniny hoe ny ahy bandy sôsy be no mahamaimay ahy.
Ka avy hatrany dia namaly aho hoe Maya, mbay a, fa tsy milay kay a.
Ref:
Fa nareo ve ry sipa raha hoe manjamanja sy hoe tsara bika
De hoe mitetitetika fa hoe ny derika no mahatafita a
Tsy mba misy fitiavana intsony va vola no mahafatifaty e.
Fa raha olona tsy manam-mbola lazainy fa mahasoso-paty e.
Masoso-paty e!
Raha tsisy vola, vola, vola, vola
Tsy mety midola a.
Raha tsisy sôsy e, sôsy e, sôsy e, de
Tsy mandeha ny matôsy e.
Raha tsisy drala, drala, drala, drala
Dia firan'ikala
Fa raha misy money, money, money, money,
Dia ataotaony e.
Yeah.
Dia mbola tsy kivy aho nitory fitia tamin'i Volasoa
Fa tonga dia niteny izy hoe raha tena tia dia mandoa vola aloha
Dia mbola nampiany hoe izy hono anie tsy mpanao asa soa
Dia namaly aho hoe Volasoa, ouuuh mbay fa toa mivadika atidoha.
Dia avy eo indray aho nitory fitia tamin'ikala Nomena
Noteneniko izy hoe ny fitiavako andri ho'aho toy ny volamena.
Fa hozy teniny hoe: tsy mila teny mamy aho fa vola omena.
K'avy hatrany dia namaly aho hoe Nomena, humm, bye bye tena.
Taorian'izay aho nitory fitia taminao ry Maeva
Fa ohatry ny olona mivah, nitratrevatreva, nanevateva.
Fa hozy teninao hoe raha kôfy boay tiako io na tsy maneva
Dia namaly aho hoe Maeva, mbay fa manao lohan-drameva.
Dia avy eo indray aho mba nitory fitia tamin-dri Sarobidy
Fa nataon'i Sarobidy nahita mangidy ka dia niantso tody.
Fa tsy maimaim-poana hono ikala Sarobidy fa tena lafo vidy.
Dia hozy zah hoe Sarobidy, allez mody fa tena misaina amin'ny vola aa.
Ref:
Fa nareo ve ry sipa raha hoe manjamanja sy hoe tsara bika
De hoe mitetitetika fa hoe ny derika no mahatafita a
Tsy mba misy fitiavana intsony va vola no mahafatifaty e.
Fa raha olona tsy manam-mbola lazainy fa mahasoso-paty e.
Masoso-paty e!
Raha tsisy vola, vola, vola, vola
Tsy mety midola a.
Raha tsisy sôsy e, sôsy e, sôsy e, de
Tsy mandeha ny matôsy e.
Raha tsisy drala, drala, drala, drala
Dia firan'ikala
Fa raha misy money, money, money, money,
Dia ataotaony e.
Yeah.
Raha tsisy vola, vola, vola, vola
Tsy mety midola a.
Raha tsisy sôsy e, sôsy e, sôsy e, de
Tsy mandeha ny matôsy e.
Raha tsisy drala, drala, drala, drala
Dia firan'ikala
Fa raha misy money, money, money, money,
Dia ataotaony e.
Yeah.
Raha tsisy vola, vola, vola, vola
Raha tsisy sôsy e, sôsy e, sôsy e
Raha tsisy drala, drala, drala, drala
Fa raha misy money, money, money, money,
Dia ataotaony e.
Yeah.
Yeah.
Yeah.
--------
Rohy:
