Allo Jesosy (PRINCIO)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
- allo
- allo, salama tompoko o, Jesosy ve zao azafady e?
- ie, tena izy indrindra 'ty e, fa iza kay 'lay olona mitady e ?
- mpikambana am FJKM aho, saika mba hitantara blem aho
- momba ny inona ny blem-n i bainina e ? alefaso ary fa hohenoiko raim e

Eh aza henoina raim zany aho fa henoy elaela tsara an
Malahelo sy mitomany aho, mieritreritra an i Madagasikara an
Toa tsy mety mandroso fa mila ho faty ilay tanindrazanay
Kanefa ry Tompo mba efa mivavaka ihany re izahay a
Dia mivavaka alohan'ny hatory e, dia mivavaka rehefa mifoha e
Dia mivavaka rehefa hikaly e, dia mivavaka foana tokoa e
Ny fiangonana rehetra aty aminay rehefa isaky ny alahady
Feno hipoka foana, mifanitsa kitro hatreny am-bavahady an
Nefa izahay toa tsy mety milamina an, fa vao maika toa lasa tsy vanona
Toa mivavaka foana tsy an-kijanona an, sa Ianao mihitsy no mody fanina an ?
Fa tsy mety tanteraka mihitsy ry Tompo anie 'lay vavakay
Hoe Zanahary ô, tahio ny tanindrazanay an!

- allo?
- oui ?
- mbola ao ve ry Tompo oooo
- allo, mbola ato aho kah
- mbola ao ve ry Tompo oooo
- ya ya mbola ato ho'aho izaho, azavaiko amin'i toi ho'aho 'lay izy fa tsy koà

Zava misy ange 'lay kozin'i bainina e!
Nefa kosa tena misy manaouainina an
Tsy hoe izaho no tsy mihaino anareo
Fa mba jereo aloha 'lay zavatra miseho
Mirehareha erý 'nareo fa hoe mivavaka an
Nefa tena mbola mifanavakavaka
Miady lava tsy mba mety mifanaraka an
Aiza moa nareo no tsy tavela anaty lavaka !
Miteny foana hoe mandala fihavanana an
Nefa tsy mba tia mifanome tànana
Be dia be 'lay namana sahirana tsy manana
Fa samy mialangalana dia mifanary an-dalana
Zany ve no hoe tia tanindrazana,
Samy maka ho azy dia mifampitazatazana
Samy te ho mafy be, samy te ho mazana
Ataon'ny politika misarasara-bazana
Dia milaza fa hoe kristiana, nefa manana toetra tsy vanona
Tia tia kely sady tena tendan-kanina
Tsy mahagaga 'nareo raha en panne
Dia mizesta fa hoe manao ny marina
Nefa razana any am-pasana aza ve fongarina
Taolam-paty aza moa angalarina
Aiza moa ilay Gasikara no ho tafarina !
Firifiry ireo mpitondra firenena
Hoatran ny olo-masina izy rehefa jerena,
Nefa tia tena, mangoro-karena
Aondrana daholo : bois de rose, volamena
Zany foana ny eto Madagasikara
Isan'andro dia mandohalika eny ambony alitara
Dia mirehareha erý fa hoe mivavaka tsara
Nefa tohizana eny foana 'lay fijery maramara

- yo, baina, mbola ao ve baina ?
- mbola ato aho Tompo oooo
- ohatrohatr’ zay 'lay blem raha azavaina raim
- mbola ato aho Tompo ooooo

Tsss letia eeee. Tompo a, (humm) dia tsy mba misy vahaolana mihitsy ve 'zany e ?
Nefa anie raha fivavahana ry Tompo, ny Gasy no tena tompon-daka eran-tany e !

Raha mandinika ny zava-misy e, dia mpivavaka be izahay e
Fa maniry ohatran'ny anana mihintsy e, ny fiangonana etý aminay e
Fa vao maika mitontona ao anaty lavaka ilay Gasikaranay
Kanefa ry Tompo mba efa mivavaka ihany re izahay an

Eny e, mandeha mivavaka ianareo ny alahady an
Fa mangalatra akoho ny alatsinainy e
Aza gaga 'nareo raha mafy ady an, normal raha minan’tssss
Isan'andro 'zao Kristy, Kristy, vonjeo re zahay amin’ty krizy 'ty!
Eny Jesoa, Zoky be fitia, ...nefa ny ao am-ponareo mihatsara ivelatsihy

Aizaaaaa.

Dia mibebaka be vao masil e ! dia mibebaka be ny aprem an
Dia mivavaka foana ny kil e, mba ho afaka amin'zay 'lay blem an
kanefa ry Tompo toa tsy mety poinsa ho'aho 'lay vavakay
Hoe Zanahary ô, tahio ny tanindrazanay.

Ie, fikafika fotsiny hoe mibebaka a, mibebaka
Nefa ny hagegenareo miha-bobaka miha-bobaka
Ny sekta aza moa vao miha-mitobaka, mitobaka an
Maro ny mpivavaka mijabaka, mijabaka
Ireo mpitondra fiangonana sasany, mameno paosy no mba tena anton'asany
Ny sôsin ny mpivavaka no andrasany, efa amina miliara no efa lasany
Noresena fety evanzelika be, spectacle an, misy fahagagana be, mirakla !!!
Ny vahoaka mandoa vola be mi-sakra an, ny ampitson'iny izy mividy 4x4
Eee, zany foana ny eto Madagasikara, isan'andro dia mandohalika eny ambony alitara
Dia mirehareha erý fa hoe mivavaka tsara nefa tohizana eny foana 'lay fijery maramara

- zany foana ny eto Madagasikara, isan'andro dia mandohalika eny ambony alitara
'Dia mirehareha erý fa hoe mivavaka tsara nefa tohizana eny foana 'lay fijery maramara
- Mba vonjeo re tompo oooo
--------
Rohy:
Hevitra
domibara ( 20/03/2015 09:39)
Misaotra fa tsara ny hira, indrindra fa ny tonony.
Veloma
100tinl ( 05/05/2015 18:21)
ary iza ilay mpanakanto be feo manao feon i Jesosy azafady ? i Raboussa ve sa i Samoela sa olona hafa ? misaotra
fabfan03433 ( 06/01/2021 09:12)
Dia tena mampisaina tokoa ilay tononkira ka!
Indrisy ry fireneko!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : PRINCIO
Vangy : 9108
Mpankafy : 4 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 07/03/2015 21:52
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3551