Sipa sekta (PRINCIO)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Fa misy inona ry sipa
Fa inona ‘ty nanjò anao e
Nilaza ianao fa niova fo
Satria nandray an’I Jesoa
Ka vita hatreo ny antsika roa
Nilaza ianao fa tsisy fika
Fa dia hilaozanao eto aho e
Fa toa tsy mendrika avokoa
Izay fianantsika teo aloha
Satria ianao dia niova fo
Fa ianao io ve mivika
Sa hoe nisy namosavy?
F’angaha nahita matoatoa
Ka dia nivadika ati-doha
Noheverinao fa hoe « Jesoa »

Ref :
Fa nididra sekta tany ianao
Avy hatrany dia raikitra tany ianao
(fa ,niditra sekta
Avy hatrany dia raikitra)
Fa zakan’ny sekta tany ianao
Dia tonga dia perte tany ianao
(fa zakan’ny sekta
Dia tonga dia perte)
Fa nisy nananona tany ianao
Dia tonga dia fanina tany ianao
Tany dia taraiky e!
Ka dia ho ambarako anao direkta
Fa matoa ianao babon’ny sekta
Dia tsy matotra tsara ny ao an-dohanao ao!

Fa maninona ry sipa
No dia manao an’izany
Toa tsy tsaroanao avokoa
Ireo fiarahantsika teo aloha
Satria ianao dia niova fo

Ref2:
Fa nitidra sekta tany ianao
Avy hatrany dia raikitra tany ianao
(fa niditra sekta
Avy hatrany dia sempotra)
Fa zakan’ny sekta tany ianao
Dia nianjera nilentika tany ianao
(fa niditra sekta
Dia nenjera nilentika)
Fa nisy namitaka tany ianao
Dia nisavoritaka tany ianao
Tany dia taraiky e!
Ka dia ho ambarako anao direkta
Fa matoa ianao babon’ny sekta
Dia tsy matotra tsara ny ao an-dohanao ao!

Fa misy inona ry sipa
Fa inona ‘ty nanjò anao e
Nilaza ianao fa niova fo
Ka dia ho hajanona avokoa
Izay revintsika teo aloha
Fa ianao io ve mivika
Sa hoe nisy namosavy?
F’angaha ianao raha niova fo
Dia tsy maintsy hovaina ihany koa
Ny hatrany anaty pataloha

Ref :
Fa nitidra sekta tany ianao
Avy hatrany dia raikitra tany ianao
(fa niditra sekta
Avy hatrany dia raikitra)
Fa zakan’ny sekta tany ianao
Dia nisy nanaikitra tany ianao
(fa niditra sekta
Dia nisy nanaikitra)
Nataony ma…..tany ianao
Dia nisavily vol tany ianao
Tany dia taraiky e!
Ka dia ho ambarako anao direkta
Fa matoa ianao babon’ny sekta
Dia tsy matotra tsara ny ao an-dohanao ao!
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : PRINCIO
Vangy : 3812
Mpankafy : 2 Ankafizo
Nampiditra : blahblah
Daty : 09/10/2013 23:22
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3971