NY ANTSIKA (Poopy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Raha maniry ny an’ny hafa
Asandrato ny an’ny tena
Ahindrahindrao mba ho ren’ny maro
Ny an’ny tena tsy atakalo
Fa tsara e! tsara !

Maro ny dihy ao ny antsapika
Latsy tànana sy ny sisa
Maro izy ireo tsy ho voatanisa
Ny salegy tsy adinon-tsika
Tsara e! tsara !

Fa tsy ambakan’ny hafa
Tsy avela ho an’ny hafa
Fa antsika io e!
Tsy avela, tsy avela ho an’ny ny hafa
Tsy ambakan’ny hafa
Fa antsika io e!

Isika anio no tafaraka eto
Haneo koa ny kanton-tsika
Andao ary hihetsika mba ho hita
Misy lanjany koa ny antsika
Aiza e! aiza e!

  Ie! e! salegy e! Ie! e ny antsika !
             (1992)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Poopy
Vangy : 4795
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Naly Randria
Daty : 24/11/2001 08:27
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0135