NY MASONAO (Ny Voanio)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Na tsy hisokatra aza ny vavanao miteny
Ny masonao no milaza, ny foko no mandreny
Raha vao mijery anao dia tsapako avy hatrany
Ny ao anatinao na tsiky na tomany

Raha tazako ianao izay mibanjina ahy
Ilay fijerinao baliaka,sahisahy
Dia azoko itokiana fa tsiky sy homehy
Ary teny fifaliana no mameno ny tarehy

Raha sendra ny ankaso
Fa ny eto an-tany moa
Raha toa manganohano ilay dobo manga roa
Akomboko ny molotro fa maizina ny tany
Sento no atolotro ho setrin'ny tomany

Tadidio ilay ora vao nahitako anao
Ilay endrikao tanora, soa sy bakobako
Ny masonao mitopy malefaka fijery
Mitsiky, miangoty fitiavana mahery

Na tsy hisokatra aza ny vavanao miteny
Ny masonao no milaza, ny foko no mandreny
Raha vao mijery anao dia tsapako avy hatrany
Ny ao anatinao na tsiky na tomany

Ny masonao ihany, milaza ny tsy hita
Ny teny tsy hita lany, ny hafatra miampita
Eo no ahitako raha mbola misy ny fitia
Ary mbola hahalalako raha vita ny tety.

Na tsy hisokatra aza ny vavanao miteny
Ny masonao no milaza, ny foko no mandreny
Raha vao mijery anao dia tsapako avy hatrany
Ny ao anatinao na tsiky na tomany
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ny Voanio
Vangy : 8015
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : RAKOTOVAO
Daty : 10/05/2003 16:01
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0111