Tsy Zah (Ny Talöha)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Raha vao tonga ety an-tany I Jesôsy Kristy
Hakatona ny “boite de nuit”
'Reo mpivavaka miseho ho mpaminana,
Asaina mandohalika amin'ny tany
'Reo mpifoka, mpigoka, mpiloka
Asaina mitokana ery
Ny sasany amin'izany mbola misy mananihany hoe:
Misy sôrah ve lesy any ah?

FIVERENANA:
Tsy zah, tsy zah, tsy zah,
Tsy zaho ho aho Jesôsy malala ô!
Tsy zah, tsy zah, tena tsy izy aho e
Tena mba marina any izany

Ianareo zanak'olona efa sarotra tenenina,
Sa mody manao be marenina
Miomana daholo hianareo any amin'ny ville,
Rahampitso eny Antaninarenina
Dia nangonina ny tao an-tanàna,
'Zay tratra tsy afaka miala
Azafady kely mba mangina hianareo,
Aoka isika tsy hifanadala

Ny nametrahako anareo tety ambony tany
Tsy hanao hadalana izany
Tohizo aloha ny ditranareo
Fa mifankahita isika rehefa avy eo
Tamin'ny tourn'i Tsaralàlana,
Ny sasany mbola tamana
Mifanoroka sy mifampisakambina ery,
Tena tezitra any Jesô Kristy

Ny rapport-nareo any an-danitra any,
Ny ditranareo tsy lanilany
Mbola izao indray no ataonareo ety ambony tany,
Hifankahita isika any an-koatra any
Ho antsika miaina eto an-tany,
Ny harenanareo tsy tafiditra any
N'iza olombelona izay mitaraina,
Rehefa tonga ny izy tsy maintsy tsaraina.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ny Talöha
Vangy : 1359
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : sfssolo
Daty : 20/09/2016 06:24
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0874