Faneva faha 10 taona FDL Ambatonjara (Ny Antso (FDL Ambatonjara))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
KOA TOMOERA TSARA RY RAHALAHY
Misaotra sy midera  anao izahay ry Jehovah Ray
Fa noho ny fahasoavanao sy famindram-ponao
Dia velon'aina tra-pamonjena izahay lehilahy izao
Ka afaka mankalaza izao fahafolo taona izao

Misaotra sy midera anao izahay Jesosy Kristy
Fa ianao no nomba sy nitahy ary niaro ny dia
Indreto ary izahay manolo-tena ho anao
Manaiky ho fitaovanao sy ho mpiara-miasa aminao

Misaotra sy midera anao izahay Fanahy masina ô!
F'ianao no nanazava sy nitari-dàlana
Ianao no nanolo-tsaina sy nampahery, nampibebaka
Nanafaka ireo fahalemenasy nanavao anay

Koa mifohaza ry rahalahy, ka andao mba  hibebaka
Midira fikambanan-dehilahy, ka andao hanatevina
Andao mba hiara-hanompo an'i Jesosy amin'izay
Koa tomoera tsara ry rahalahy, miorena amin'izay
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ny Antso (FDL Ambatonjara)
Vangy : 218
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Ambatonjara
Daty : 06/07/2025 06:12
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0611