Ampidiro aloha ny tenimiafina
Lazao lazao ambarao (Ny Antso (FDL Ambatonjara))
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
“Mitoria ny teny, mazotoa, na amin’nyFotoana, na tsy amin’ny fotoana
Mandrese lahatra, mamporisiha,
Mananara mafy amin’ny fahari-po
sy ny fampianarana rehetra”
Timoty faharoa
toko faha 4, andininy faha 2
Lazao lazao ambarao ….
Lazao, ambarambarao
ny famonjena vitan’i kristy
Jesosy, izay maty ho anao,
ho fanavotana antsika olony
1-Ny jamba,
ny moana,
sy ny marenina,
dia efa nositraniny avokoa,
mifonà, mibebaha,
mba tsy hanenina
mba hahazoanao
ilay fiainam-baovao
Lazao lazao ambarao ….
Hoy Jehovah Tompo araka ny hafatra
nampitondrany an’i Ezekiela mpaminany
ao amin’ny toko faha 33 ny andininy
faha 11 :
” Lazao amin’ny taranak’Isiraely hoe,
rahavelona koa aho,
dia tsy sitrako ny hahafatesan’ny
ratsy fanahy, fa ny hialan’ny ratsy
fanahy amin’ny làlany,
mba ho velona izy, mialà,
mialà, amin’ny lalan-dratsinareo,
fa nahoana moa no te-ho faty hianareo?”
2-Atolory, ny Tompo,
izao ny fonao,
ka itafio Jesosy,
ho fiainam-baovao,
hevero,
fa misy farany avokoa ny atao,
sao dia variana ka ho very ianao
Lazao lazao ambarao ….
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : Ny Antso (FDL Ambatonjara)Vangy : 269
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Ambatonjara
Daty : 06/07/2025 06:03
