Mifona (NOMIA (NOrmaliens MItory An-kira))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Raha ny fahotan’izay vitanay ry Ray tsy miafina aminao
Fantatray ihany koa Ianao mpamindra fo
Ka mba avelao ny helokay raha to(a) sitrakao

Refrain :
Ka mitalaho aminao, mifona izahay
Na tsy mendrika Anao sy ny hatsaranao
Mba raiso re ity zanakao
Fa hanolon-tena ho Anao hankato ny didinao
Hanaiky ihany koa izay rehetra tsitrakao

Reo fitia natolotrao rehetra tsy mba tsapa
Fa fitiavan-tena no manjaka @ lapan’ny fonay
Tsy nandinika tsy mba namakafaka
Izany indrindra Tompo ô no ifonanay

Refrain :
Ka mitalaho aminao, mifona izahay
Na tsy mendrika Anao sy ny hatsaranao
Mba raiso re ity zanakao
Fa hanolon-tena ho Anao hankato ny didinao
Hanaiky ihany koa izay rehetra tsitrakao

Ianao ilay tsy mandao anay
Tsy mahafoy anay
Ny famindram-ponao no mbola antoky ny fiainanay

Refrain :
Ka mitalaho aminao, mifona izahay
Na tsy mendrika Anao sy ny hatsaranao
Mba raiso re ity zanakao
Fa hanolon-tena ho Anao hankato ny didinao
Hanaiky ihany koa izay rehetra tsitrakao

Ka ny andro sisa iainanay
(Ny) tontolom-piainanay
Atolotray ho Anao
Haa, haa, hoo

T/F : Zon’ny Aina
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : NOMIA (NOrmaliens MItory An-kira)
Vangy : 24
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Prosper01
Daty : 20/05/2026 16:30
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.1204