Eritreritra (Njila)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Raha vao nahita anao aho
dia fihomehezana toa maneso,
no nasetrinao ahy
ka vahobahotra aho!
Fa singatsingan’embona
no nentiko nametsovetso fanahy
sy hitoetra anatiny
angamba ny faniriany;

Fa nieritreritra ny tsy handalo intsony aho,
Nataonao vazivazy ireo teny mba natao
Fa nieritreritra ny tsy handalo intsony aho;
Nefa raha fantatrao fa misy tsirim-pitiavana
atolotro anao;

Fa be ireo teniteny nandeha,
’zay nampanalasala anao,
Raha sitrakao odio tsy re,
Ka ny fonao no ilazao;
Fa te-hitoetra anatiny,
’Lay foko sanganehana
menamenatra tsy fidiny,
fa nihomehezanao.

Tsy anjarako angamba ny hanery anao,
Apetraho mba hazava tsara izay hevitrao,
Tsy anjarako angamba ny hanery anao.
Nefa aza feranao raha tia ny sainao sy ny fonao;
Fa hampijaly anao,
Tsy anjarako angamba ny hanery anao.

Tarika Njila
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Njila
Vangy : 4333
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Kababo
Daty : 04/11/2006 16:39
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1208