Bao (Njila)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tsy hitako intsony izay ilazana ahyFa very hevitra toa very fanahy
Nandrora aho, nandrora nitsilany
Ka ny tenako no voa tamin’izany
Sitrapoko ihany no nanambadiako eto Iarivo
Nahita ny akanga tsara soratra aho
Ka nanary ny akoho taman-trano
Ka dia nenina be vava no vokatr’izany
Refrain :
Fa sodokan’ireo tovovavin’Iarivo anie aho
Nanantena ny ho tafarina
Sy hiadana nahazo ny manja
Kanjo nofinofy ihany izany
Fa nataony boto mpamafa kirarony aho
Lasa mpanasa ny lamban’ireo rafilahiko aho
Inay anie aho nihaino anao ry dada ô !
Toa mandatsa ahy ireo anatrao ry Neny !
Milaza fa i Bao ihany no sahaza ahy
Ary izy ihany no mendrika ho vadiko
Toa hitako ianareo re ry Bao
Mibitsika ny hoe miverena ao aorianako ao
Dia tsapako fa manody ilay fitiavanao
Dia fitiavana tena madio sy marina
Refrain
Tsy naharitra aho indray andro ka mba niteny
Nofo aman-drà ka mba mahatsiaro marary
Sao tsy rariny izao fanitsakitsahina izao
Kanjo vava be mankarary fo no nasetriny ahy
Hiverina aho, hiverina aho ry Bao
Ianao ihany no omeko ny fitiavako
Tambanivohitra nefa manam-panahy
Vakivaky tongotra saingy manaja ahy
Fa ny foko tsy mety ny masoko ranga
Iny faravodilanitra iny no tazaniko andro aman’alina
Miandry anao aho mba hitranga
Hanarina izao fahavoazako izao
Hanaza ny haizim’pito mandrakotra ahy.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : NjilaVangy : 4982
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Ng Guim Hong Alain
Daty : 05/03/2004 07:31