Aza ampijaliana (Njara Marcel)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Eh, nandalo Teo izy androany
Eh, tsy nametraka hafatra fa nitomany
Eh oh, noratrainao mafy kosa hono ny fo-ny
Dia lasa izy nandeha fa tsy nijanona intsony (x2)
Dia lasa izy nandeha fa tsy nijanona akory

Mosoara iray no mba nentiny any
Tsapako hoe voadona mafy ny aty fanahiny
Mosoara iray no nomeko azy
Toloko sy alahelo tsy mba vazivazy

Ref: Mba Aza ampijaliana moa lesy izy iny
Be mpitsiriritra fa ialahy no mba tiany
Aza ampijaliana fa tsy fanahy iniany
Maro be ny maniry azy fa ialahy no ihafiany
Aza ampijaliana moa lesy izy iny
Be mpitsiriritra fa ialahy no mba tiany
Tsy te hijaly intsony fa tsy fanahy iniany
Maro be ny maniry azy fa ialahy no ihafiany

Tandremo lesy sao anenenana
Ranomasom-behivavy anie hono ka manody
Ilay ditran’ialahy kosa lesy mba ferana
Ndana ialahy mifona ampitonio ny fo-ny

Nitanondrika nahatsiaro ho resy izy
Hoe mangidy aminy hono ny fiainana an-tany
Mandiniha ataovy lesy izay mba mety
Tsy ho zakan’ialahy raha ny todin’izany

Ref: Mba Aza ampijaliana moa lesy izy iny
Be mpitsiriritra fa ialahy no mba tiany
Aza ampijaliana fa tsy fanahy iniany
Maro be ny maniry azy fa ialahy no ihafiany
Aza ampijaliana moa lesy izy iny
Be mpitsiriritra fa ialahy no mba tiany
Tsy te hijaly intsony fa tsy fanahy iniany
Maro be ny maniry azy fa ialahy no ihafiany

A/C: Njara Marcel
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Njara Marcel
Vangy : 1008
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Havannah
Daty : 04/08/2024 15:23
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1204