Manàna finoana (Njara Marcel)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mba lazao ahy
'Reo tsiambaratelonao
Na ny tsiky na ihany koa ny tomany
'Ham'izao fiainana izao.

Tantarao ahy! e! ieh!!
'Reo nofinofinao
Aza kobonina any anatinao any
Fa ataovy manako ho ren'izao tontolo izao.

Ireo mibaby mavezatra
Mahatsiaro mangirifiry!
Manàna finoana fa mbola ho tanteraka ilay nofinao iny,
Na ireo valaka sy ketraka efa mahatsiaro ho reraka amin'ny fiainana io hoe hoah!
Hatrakao ny loha
Fa Zanahary ao ambony andray anao amin'ny fo.

*Apetrao am-pelatanan'i Ray ny fiainanao. (X4)

Ireo sedram-piainana
Mandalo fotsiny ihany
Na ho lava aza ny alina
Hiposaka eo foana ilay masoandro.
Na ireo varavarana aza toa mihidy tsy ary ho vohainy ieih!
Tapi-dalan-kaleha, miandrandra anao hihiditra any e!

Ankino amin'ny ao Ambony
Aza misalasala intsony
Na inona manjo anao
Dia Izy ihany no fanafody.

Ankino amin'ny ao Ambony
Aza asiana fanontaniana koa
Na inona manjo anao
Dia Izy ihany no fanafody.

Ouh!....

*Ireo mibaby mavezatra
Mahatsiaro mangirifiry!
Manàna finoana fa mbola ho tanteraka ilay nofinao iny,
Na ireo valaka sy ketraka efa mahatsiaro ho reraka amin'ny fiainana io hoe hoah!
Hatrakao ny loha
Fa Zanahary ao ambony andray anao amin'ny fo. (X2)

Andray anao ao...!!!
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Njara Marcel
Vangy : 922
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : christophe17
Daty : 28/06/2022 19:48
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0727