Tsisy tasy (MENDRIKA)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Fitiavana tena matotraNo atolotro anao
Tsy misy tasy,tsisy pentina
Madio mangatsakatsakatsaka
Fitiavana tena masaka
No atolotro anao e!
Toa ravaka ,toa mamiratra
Manendrika ny fiainana
Na sarotra aza ny dia
Ny hivadika dia sanatria
Ho tia anao aho hatrany hatrany
Any ankoatra eto an-tany
N’aiza n’aiza no aleha
Hanaja ilay fanekena
Mamiratra izay jerena
Hahankoso-bolamena
Ndao isika roa hiaraka
Hifaly hifampitantana
Ndao isika roa hiara-dia
Hifankatia ho doria
Ndao isika roa hiaraka
Hifaly hifampitantana
Ndao isika roa hiara-dia
Hifankatia ho doria
Fitiavana tena matotra
No atolotro anao
Toa ravaka ,toa mamiratra
Manendrika ny fiainana
Na sarotra aza ny dia
Ny hivadika dia sanatria
Mamiratra izay jerena
Hahankoso-bolamena
Ndao isika roa hiaraka
Hifaly hifampitantana
Ndao isika roa hiara-dia
Hifankatia ho doria
Ndao isika roa hiaraka
Hifaly hifampitantana
Ndao isika roa hiara-dia
Hifankatia ho doria
Ndao isika roa hiaraka
Hifaly hifampitantana
Ndao isika roa hiara-dia
Hifankatia ho doria
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : MENDRIKAVangy : 3324
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : HERINIAINA Rinanjakasolofo
Daty : 07/10/2003 01:48