Arahaba (Mami Bastah)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ny hakanton'ny voninkazo tsara bika raha vao tonga ny maraina,
No mahatonga ahy mifaly sariaka sy toa manjary miran-tsaina.
Ny fiposan'ny tara-masoandro antsinanana ny olon'ny haizina ho mazava,
No mahatonga ny olona mifandray tanana ho mariky ny arahaba.

Arahaba tsy mba manavaka no atolotro anareo izay manoloana,
Io no solom-bava avoaky ny molotro, falifaly tafahaona e.
Arahaba tsy mba manavaka no atolotro na mahantra ianao na manana,
Ny fitiavan-tena mampisaraka esoriko fa mandratsy fihavanana.
Arahabaina manokana ireo Zokiolona, Ray aman-dreny niteraka e,
Fa ianareo re no reraka nanolokolo anay tsy hiveraka.
Kanefa rehefa mananatra anay ny serimônina aza atao lava loatra,
Ny hevitray avelao mba hivoaka fa raha tsy izany izahay hitrôtra.
Arahabaina manokana ireo mpanabe, nampianatra anay ny tsara ô,
Fa ianareo mahalala fa raha toa ilaozanareo izahay dia tara.
Kanefa rehefa mampianatra anay, ny fiangarana ialao mafy,
Fitoviana ataovy tsara fafy fa raha tsy izany izahay higafy.

Arahaba vokatry ny fo no tononiko ho anareo izay miady saina,
Fa tononkira mahasoa noforoniko omeko anay izay mitaraina e.
Fa na dia henjana ny onjan'ny tany ka tonga ny famoizam-po,
Tsy dia fanao loatra ny mitomany fa aleo mampitraka ny loha.
Arahabaina manokana ireo mpitondra, manoro ny lalana marina,
Fa ianareo no nanarina fa raha tsy nisy anareo izahay dia fanina.
Kanefa rehefa mitarika anay, ny fahamarinana aza anaovana akambo,
Fa raha ianareo no miseho matikambo, voatery izahay hidingin-drambo.
Arabaina manokana ireo mpitondra ny vavaka any am-piangonana ô,
Fa ianareo no nampiomana anay amin'ny lalan'ny fahavelomana.
Kanefa rehefa mampiangona anay ny toetranareo koa mba ataovy tsara,
Fa raha ianareo indray no misary adala voatery izahay hamaky vala.

Ny hakanton'ny voary tsara lamina rehefa dify ny hariva,
No mampifoha ahy mamanton'alina gina tsisy feon'antsiva.
Ny fidiran'ny tara-diavolana kanto misesisesy tsy azo tànana.
No mahatonga ny vetsoko tsy hety hiato mamaky ny hidim-baravarana.

Arabaina manokana ireo mpitsara, nanolotra anay ny làlana,
Fa ianareo no nandràra fa raha toa tsy nisy anareo izahay tsy tàna.
Kanefa rehefa mitsara anay, ny fitiavam-bola re ataovy aoka,
Fahamarinana no aleo mba hivôka fa raha tsy izany izahay hitsôka.
Arabaina manokana ireo dokotera, nitsabo ny aretin-drehetra,
Fa ianareo no nitsetra fa raha toa tsy nisy anareo izahay voretra,
Kanefa rehefa mitsabo marary, ny asanareo re ataovy voakaly.
Fa raha ianareo indray manao vazivazy, manjary izahay no maty hoazy.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Mami Bastah
Vangy : 534
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Barea79
Daty : 12/03/2024 22:33
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5904