Fanahy no olona (Mami Bastah)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tsy ny masonao mivandravandra
Na ny vavanao mivazavaza
No hahafahana milaza fa manina ianao
Tsy ny hozatrao mivalombalona
Na ny totohondrinao mahafanina
No ilazana anao fa olom-banona marina ianao

Tsy ny fihaingonao mirambaramba
Na ny hambonao be karama
No ilazana anao fa hoe salama sy manana ianao
Tsy ny fahantrana mahajemby na ny fandehananao mirenireny
No ilazana anao fa olom-bery tsy manana ianao

Fa ny fananao ny fanahy e!
No maharamatoa na maharangahy
No mahatovovavy tovolahy
No maha ankizy tsara mpiahy
O!ry vahoaka ray olona o!

Tsy ny famindranao midoladola
Na ny fiteninao miangolangola
No ilazana fa voavolavola ny fomba fiainanao
Tsy ny fimamonao ho tonga lafatra
Na ny fatoriana anaty tatatra
No nahatonga anao ho sambatsambatra hamela ny olanao
Tsy ny fahaizanao milangalanga
Na ny fahaizana mijangajanga
No ilazana anao fa tena manja tsy mendrika ianao
Tsy ny fandehananao an-dakilasy na ny fahaizanao taratasy
No itsetsefanao toy ny parasy ireo namanao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Mami Bastah
Vangy : 565
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : tynede
Daty : 18/06/2021 14:54
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0738