Mami Bastah

Nampiditra RANAIVO
01/05/2004 06:50
Hiran'i Mami Bastah 13 Jereo eto
Vangy : 11012
Mpankafy : 0 Ankafizo
RANAIVO Maminirina Ramiandraharisoa no tena anarany ," MAMI" dia anarana fiantson'ny Ray aman-dreniny sy ny fianakaviany azy , ary "Bastà "dia anaram-bositra nomen'ny namany azy , dia nataony hoe :"MAMI Bastà" ny anarana noentiny amin'ny maha-mpana-kanto azy .
Hira mitantara ny zava-misy sy ny fiainana andavanandro no kaloiny ary kilasiana amin'irony mpamorona "VAZO MITENY" izy(Chanson à texte)
Tamin'ny taona 2000 izy no nanomboka nisalotra ny anarana maha-mpanakanto azy ary nanomboka nampiseho ny sangan'asany amin'ny maha- "MAMI Bastà " azy , ary efa namoaka K7 sy CD izy .
Ny dingana efa vitany teo amin'ny lafiny fampisehoana dia an-koatran'ny teto Madagasikara dia efa nanao fampisehoana tany France(Paris) izy ny Décembre 2003 niaraka tamin'ny mpanakanto Malagasy toa an-dry Erick Manana , Jaojoby , Eric Tahiana , Soafara .
Ireo hira nahalalana azy dia : "Fitia somongamonga " , " Mila vonjy ny gasilahy" , "Aza omena tsiny" , Mariazin'olon-tiana".............
Andeha hotantaraiko fohifohy ny lalana nizorany eo amin'ny lafiny zava-kanto :
- Ny taona 1977 izy no nanomboka namoron-kira
-Ny taona 1982-2002 dia niaraka tamin'ny tarika REMY izy . Betsaka ny hira noforonin'i "MAMI Bastà" tamin'izy mbola mpikambana tao amin'ny Tarika REMY , anisan'izany ohatra ireto hira ireto : "Fitia somongamonga"(Efa misy ny tonon'io ato amin'ny serasera namana), "Lanonana" , "Porofom-pitiavana"........ ; Ireo hira ireo dia anisan'ny hira nampalaza ny Tarika REMY , manaporofo izany fa mpamoron-kira tena mahay i "MAMI Bastà" , izy rahateo moa dia anisan'ny namorona ny tarika REMY ny taona 1982 .
-Ny taona 2000 nanomboka nikopaka elatra nandeha irery izy ary nitondra ny anarana "MAMI Bastà"
- Ny taona 2002 , niaraka amin'ny Tarika MAHA-GASY , tarika mpihira izay mitrandraka ny mozika Malagasy ary tarika tena ankafiziny tokoa , satria izy dia anisan'ny namorona io Tarika io.
Ny ahafahana mifandray aminy dia Tel 0331163482 ,
Dia toy izay sy toy izay ary ry mpamaky hajaina no azo ambara mikasika an' i"MAMI Bastà"

Hevitra momba an'i Mami Bastah

RANAIVO (01/05/2004 10:14)

Hiran'i Mami Bastah (13)

© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0113