Satry ihany (Mahaleo)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Satry ihany ny tsiky no hameno, handravaka ny tavanaoKa tsy hikentrona intsony ny tarehy
Satry ihany ny hira no ho heno, hivoaka ny molotrao
Ka tsy ho taraina intsony no ho re
Indrisy anefa mbola tomany
No manamando ny tava
Noho ny fahoriana misesy
Mbola toloko ihany
No mivoaka ny vava
Fa fahantrana tsy mety resy
Satry ihany ianao tsy ho noana ,ary koa tsy hangetaheta
Mba tsy handry fotsy lava izao
Satry ihany izay manoloana, tsy ho feno herisetra
Ka hilaminan-tsaina fehizay ianao
Indrisy tsy nisy niditra am-bava
Ny tenda koa zary maina
Ny tsy fisiana tsy mahavoky
Mbola tebiteby lava
Tsisy hilaminan-tsaina
Sady kivy ianao no very toky
Ianao miezaka hatrany
Mihoatra ho tafita
Tsy miraviravy tanana
Tsy maintsy mbola hivaly ihany
Tsy maintsy hahita
Ny anjara fiadanana
(nohirain’i Dadah
Album Ilay Nosiko)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : MahaleoVangy : 6457
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : rabobs
Daty : 09/12/2002 18:24