Mofo Tantely (Mahaleo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Hitako omaly ireo zanakao
Tao an-tokotany tao nilalao
Tany Ampanataovana aho mantsy omaly
nandalondalo saika hamangy

Teo am-bavahady aho no nijoro
tsy nisy afa-tsy tanam-polo
Hitondra bônbôn ve izaho sa sôkôla
Ho an’ny zanakao mianadahy.

Ref: Tsaroako ianao fahiny
mihinana mofon-tantely
Ity vetsovetso ataoko androany ity.
Ho anao ilay tsy lany mamy

Mitovy aminao ikalavavinao
Tahafiny ireo masonao
Matahotra izy nahare varatra
Varatra avy any an-danitra

Ilay lahy kosa maherihery setra
Mitovy taminao naditraditra
Milalao ranon’orana izy dia
mihirahira aviavia raha orana.

Ref(2)

Hitako omaly koa ilay vadinao
Izy angamba mahafinaritra
Niafina aho anefa toy ny mpangalatra
Ny marimarina izaho menatra.

hampanateriko ireo sôkôla
Ho an’ny zanakao mianadahy
tsy hifanatrika aho tsy handroso
satria ianareo roa ho ambinin-tsoa

Ref(2)

Bekoto, Fafah, Dadah.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Mahaleo
Vangy : 18106
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Rabehasy
Daty : 01/06/2002 18:58
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.012