Mitady Kandra (Mahaleo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mamonjy miasa tany tambanivohitra }
any ambanivohitra any             }indroa
Ny andro lohataona     }
andron’ny mpiasa tany  }indroa

Mafy anefa ny asa tany (2)
Ka mila herin-tsandry
Raha hifanadrina amin’ny tany

Mamonjy renivohitra ireo tambanivohitra
Any ambanivohitra (2)
Tsena ny andro any a!  }
Andro fivarotana       }indroa

Miakatra ny vokatry ny tany (2)  }
Hatao inona daholo ?             }
Hatakalo vola ho a!              }indroa

Toa mitady kandra foana ho aho ny tary e!
Any an-drenivohitra any  (2)
Toa màzana ihany vao mety mahita
Ka very any an-drenivohitra any e!
Mivarotra ny herin-tsandriny izy e! (2)

Toa migadragadra foana ho aho ny tary e!}
Any an-drenivohitra any                 }indroa
Fa inona ihany no mahatonga izany a!
Ka very any am-pigadrana any e!
Tsy aty ambony tany intsony izy e!

Izany e !tsy miparitaka (2)           }
Ny olona rehetra anefa mahalala izany }indroa

Tsy afaka mankaiza izy e!
Tsara ambina tsara ho aho ny figadrana any e! (2)
Fa very any am-pigadrana any e!
Tsy aty ambony tany intsony izy e!

DAMA
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Mahaleo
Vangy : 4421
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Solofo
Daty : 20/01/2003 16:19
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0118