Tokantranom-paradisa (Ludger Andrianjaka)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Izao no voady izay nataoko tsy maintsy tanako
Ho anao izay nametrahako ny foko mba ho namako
Ho tia anao n’aiza n’ aiza
Tsy misy fetra hoe  hatraiza
Hiombon-tsento sy fifaliana manomboka eto
Hohadinoiko ny lalao sy fiainako efa lasa
Hery vaovao no entiko mikasa
Hanorina ny ankanintsika mba ho paradisa
Na ho haingana na mbola ho ela ny andro sisa.

Mivoha sahady ny vavahady hidirantsika izao
Hifampitantana hiara-dia izaho sy ianao
Tsy nofy intsony ilay fiadanana
Fa ho zaraina samy hanana
Ny tiana tafaray amin’ny tia
Tsy hitako izay teny hilazana ny hafaliako
Tiako ianao eny tena tiako
Haorintsika anio ny ankany mba ho paradisa
Na ho haingana na mbola ho ela ny andro sisa.

Marihina fa mitovy io sy ilay 'Fikasana'
--------
Rohy:
Hevitra
Kotsur ( 07/05/2026 23:50)
Marihina fa mitovy io sy ilay 'Fikasana'. Misy daholo ireo kapila roa ireo.
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ludger Andrianjaka
Vangy : 18
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Kotsur
Daty : 07/05/2026 23:48
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0365