ANALAKELY (Lola (lahy))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
ANALAKELY

Isan-kariva e toerana raiky izay
Tsy mba mangina e ambiance fehizay
Fitsangatsanganana tsy mandany vola
Na ts’isy fiara afaka midola
Mpifankatia e mirôzirôzy any
Ny mpanapy e ny ao ihany koa tsy lany
Indrindra indrindra ny faran’ny herinandro
Ny fianankaviana afaka hamohamo
Hatramin’ny zazakely, mankeny !

Analakely ilay toerana firevena
Analakely sahaza ny rehetra
Reraky ny asa olana samihafa
Tsy alina tsy atoandro
Tsy fety tsy andavan’andro

Ny tsakitsaky tonotono masikita
Dia tian’ny gasy fa tsy haiko fa dia mahavariana
Dia fety be ambany ka hatrany ambony
Samy manao izay mahafalifaly ny fony
Soa ihany hoy aho fa nisy analakely
Fa raha tsy izany ho aiza ireny olona rehetra ireny
Ao no mba akaiky tsy manahirana azy
Mihodina kely rehefa mba hanala azy
Toera-manantantara eto Gasikara
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Lola (lahy)
Vangy : 3533
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : cmbolatiana
Daty : 24/08/2007 07:49
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0769