LAZAO (Lola (lahy))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Niezaka foana aho nanaja ilay nofidiko
Nolaviko ny olon-drehetra fa ianao no efa tiako
Efa fantatrao loatra avokoa ny ato am-poko, tena tia
Dia nohararaotinao izany ,f'izay sitrakao ihany no notoavina hatrany
Ireo tambitamby fahiny izay tsy voatanisa
Nankaiza izany ankehitriny fa toa nofy sisa
Rehefa diso tiana tokoa ny olona iray
Dia manjaka, migafy, mampirafy
Lazao izay tianao fa ho ataoko, ambarao
Fa izaho anie hanokan-tena ho anao
Tia aho , tia anao hatrizay ka hatramin’izao
Eny mandra-maty izany no voady ato anaty.
Hatramin’izao aho na ny hanompy maso ny hafa aza tsy haiko
Fa ilay sarinao no mazava mibahana ato an-tsaiko
Nahoana kay no mampijaly rehefa mba ohatr’izay
Aoka izay raha mbola any ihany ilay fitia tany am-piandohana
Lazao izay tianao fa ho ataoko, ambarao
Fa izaho anie hanokan-tena ho anao
Tia aho , tia anao hatrizay ka hatramin’izao
Eny mandra-maty izany no voady ato anaty.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Lola (lahy)
Vangy : 12097
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : FANANDRIANA Joelle Dilyanah
Daty : 20/12/2003 09:49
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0733