Resy lahatra (Koraita (Fjkm Androva Vaovao Famonjena - Mahajanga))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Efa nampandeha ny olona hanitsaka ny lohanay Ianao; nandeha namaky ny afo sy ny rano izahay; fa nitondra anay nivoaka ho amin'ny fitahiana mahatretrika Ianao. — Salamo 66 : 12


Resy lahatra

And 1:
Misaotra Anao tokoa zahay Ry Ray be fitia
Fa notahianao ka tratr'ity tombon'andro ity
Fitahiana mahatretrika tokoa
No narotsakao ho anay izao

Fiv:
Isan'andro isan'ora
Dia resy lahatra aho ry Tompo
Fa ny fahasoavanao no nahatoy izao
Ka saotra no atolotra
Ho anao ry Tomponay
Ray mahery fa tratr'izao anio izao

And 2:
Ny tombon'andro zay mbola homenao anay
Ry Jeso Tompo ô, apetrakay eo ambanin'ny
Fahasoavanao hatrany ka tahio
Inty aho iraho aho Tompo ô

And 3:
Raha misy dera laza voninahitra
Dia aoka re ho anao irery ry Tompo tsara ô
Misandrata avo indrindra ianao ry Ray
Fa izany no mendrika ho anao


Koraita 2015
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1293