Takariva ny any aminay (Kolibera)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Matoa ny vetsoko lasa tsy tana
Dia zary alahelo mamoaka ny kalo
Atopy ny maso kanefa tsy tazana
Sary ao antsaina no ireo fa mandalo
Indreo e rankizy fa mifalihavanja
Mihira miantso ny raosy jamba
I Dada sy Neny amin'izay no mpitehaka
Eo an-tokonana no mitorevaka

Matoa ny vetsoko lasa tsy tana
Dia zary alahelo mamoaka ny kalo
Atopy ny maso kanefa tsy tazana
Sary ao antsaina no ireo fa mandalo
Indreo e rankizy fa mifalihavanja
Mihira miantso ny raosy jamba
I Dada sy Neny amin'izay no mpitehaka
Eo an-tokonana no mitorevaka

Niverina ny tafa ny kalo fahiny
Tsinjovy ireo taramasoandro ankehitriny
Mijery mitsinjo, mitsinjo ny lasa
Ny lasa any ho any
Ô ô ô
Indry fa nilefa ilay tara-masoandro e
Io e i neny manoko-nahandro
I dada sy zoky sy zandry sy ny hafa
No indreo mikorana samy mitazana
Injay fa miantso i neny ao an-trano e
Modia re rankizy fa alina ny andro
Modia ampy izay fa rahampitso indray
F'izany no hariva ny any aminay
Modia re rankizy fa alina ny andro e
Modia ampy izay fa rahampitso indray
F'izany no hariva ny any aminay
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Kolibera
Vangy : 632
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : hery
Daty : 20/02/2022 12:53
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0111