You are here: home > Tononkira > kolibera

Nankaiza (kolibera)

Nankaiza kosa ireo hira fahiny
No zary nangiana tsy re ankehitriny
Natory va re sa nankaiza izy ireny
Sa dia lasa tokoa ka tsy voateniteny x2

Indreto izahay ry zareo
Miaraka manandram-peo
Hikalo hihira tokoa
Ny hiran-tsika no (mamin'ny)mamin'ny fo
Tsy ratsy ny hira vahiny
Nefa aoka re tsy ho tsiny
Ny hiran-drazako anie tsy mba foiko
Tsy lefy fa Tsiky dia ampykalokaloiko

Indreto izahay ry zareo
Miaraka manandram-peo
Hikalo hira tokoa
Ny hiran-tsika no (mamin'ny)mamin'ny fo
Tsy ratsy ny hira vahiny
Nefa aoka re tsy ho tsiny
Ny hiran-drazako anie tsy mba foiko
Tsy lefy fa kalokaloiko


Nankaiza kosa ireo hira fahiny
No zary nangiana tsy re ankehitriny
:;Natory va re sa nankaiza izy ireny
Sa dia lasa tokoa ka tsy voateniteny::x2

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : kolibera
Mpamaky : 1410
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : Tsiresy91
Tamin'ny : 09/04/2014 13:59:27
ID : 6524

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo