SPI Blues (Johary)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Eto @ Bar aho ,
No mitantara , 'zay azo ambara
Koa manatona , mipetrapetraha
Izay mbola tara ,....
Ireo ny seza , ireo no vera
Samia ary mandray ho azy
Fa resaka tsy vazivazy

Bary â !
Asio tavoahangy iray aloha
Tapany amin'ny KAY
Fa niampy indray izahay ...
Ampio koa ny lasary
O ! ry Bary
Fa niampy ny tary ...
Ilay bota kely teo
O ! Tsy tratranareo
Fa laniko aninkeo
Jereo, tavoahangy sisa no eo ...

Rehefa samy nandray kely avy
Isika mianakavy
Dia atomboko ny resaka
F'efa betsaka ny mihaino ahy
Ny croix bleue manao aoka
Isika toa miha tia toaka
Ka hoy aho hoe
Inona ry zalahy no atao ...

Tsaratsara angamba
Raha atsy ho atsy no atsangana
Ilay SPI , na croix jaune
Societé Protectrice des Ivrognes ..
Koa miandry anareo
Ianareo rehetra ireo sy ny namanareo
Fa hivory ny birao
Sy ireo mambra amin'ny 24 Desambra

Koa manatona, mipetrapetraha

Tapaka ary izany
Fa androany ihany
Dia efa fantatra
Fa mambra daholo
Ny mpisotro manontolo
Tena lafatra
Mila tondraka ary izany
Rehetra izany
K'avia ialahy re ry Bary
Ampio tavoahangy iray aloha
Tsy tapany intsony
Fa litatra amin' zay ....
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Johary
Vangy : 2250
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 29/08/2018 00:18
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.088