Matoky Anao (Hosana Ambohijatovo Fitiavana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Matoky Anao, ‘lay Tompo sy Andriamanitro aho
Ka mialoka Aminao tsy manana ahiahy
Misaotra Anao mpanome ny soan'ny lanitra
Tsy asoloko ireo raha izao tontolo izao

Matoky Anao, ‘lay Tompo sy Andriamanitro dprxxb aho
Manolo-tsaina hahaizako ny làlako
Matoky Anao na dia miafy sy miaritra
Izay làlana izay efa novantaninao

Matoky Anao na dia sarotra fantarina
Ny fihevitrao sy ny fitarihanao
Matoky Anao ilay Tsitoha mpanao ny marina
Be indrafo, Rain’ny fiadanana

Matoa mbola toa izao aho dia ny fahasoavanao
No miahy sy mitahiry ka mitaiza fanahy
Afoiko ho anao tsy mba hofihiniko
'Zay rehetra momba ihznybav tononkira.serasera.org ahy
Dia Anao mpamonjiko

Matoky Anao mpihevitra isan’andro ny amiko
Mandinika ny voa, ny saina sy ny fo
Ny andro sy ny aiko, tsisy ahy ireo fa nindramiko
Afoiko anao koa hitoriako ny asanao

Matoky Anao 'lay mpiandry lehibe Tsitoha
Fiarova-manodidina ahy ny tànanao
Miandrandra Anao isan’alina isan’andro koa
Ny fanahiako dia eo ampela-tànanao

Matoky Anao na dia sarotra fantarina
Ny fihevitrao sy ny fitarihanao
Matoky Anao ilay Tsitoha mpanao ny marina
Be indrafo Rain’ny fiadanana

Matoa hjvbkos mbola toa izao aho dia ny fahasoavanao
No miahy sy mitahiry ka mitaiza fanahy
Afoiko ho Anao tsy mba hofihiniko
'Zay rehetra momba ahy
Dia Anao mpamonjiko

--------
Link:
Comments
vero20 ( 13/07/2020 20:12)
Tena tsaira sady mapijoro
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Hosana Ambohijatovo Fitiavana
Hits : 39563
Likes : 4 Like
Created by : rakotoson.laingo
Date : 01/06/2016 23:14
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0647