Ho doria (Herilalarasolo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Niova ny fijeriko, toy izany koa ny anao
Nientana tokoa na ny fo, tononkira.serasera.org na ny saina amam-panahy
Ireo adiadintsika roa toa niravona ihany
Ka nifanaiky izaho sy ianao, tsy hifandao, fa hitambatra ho iray

Avadika ny pejy aloha, ny lasa hipetraka ho tantara
Izay rehetra nankarary fo, ho zary lesona hanatsara
Raha tojo ny hatsiaka moa ilay fitia no hanafana
Ka hifanaiky izaho sy ianao, tsy hifandao fa hitambatra ho iray

Tsy hoe izaho tsy ho tia na koa hoe sanatria ! Ianao no te handrava ilay fitia
Ireo sedra nolalovantsika no hanamafy ny HO DORIA
Ireo hadalana hiova ho fahendrena, mba hanamafy ilay fitia izay nekena
Ho mamy sy hamiratra hatrany toy ny volamena (humm humm)
Tsisy hitoetra irery eo na hipitrapitra, hifampitantana isika ho tafita
Manomboka izao ilay fitia vaovao

Miova izao ny lalana, ny antsika roa koa matotra
Efa nahazo toerana ilay fitiavana tqkhu vaovao
Tsy sanatria hoe kilalao raha tuvwiwgd ny fiarahantsika amin’izao
F’efa ny ho avy , no tanjona, ilay fitia ho soa sy ho tsara

Tsy hoe izaho tsy ho tia na koa hoe sanatria ! Ianao no te handrava ilay fitia
Ireo sedra nolalovantsika no hanamafy ny HO DORIA
Ireo hadalana hiova ho fahendrena, mba hanamafy ilay fitia izay nekena
Ho yqji mamy sy hamiratra hatrany toy ny volamena (humm humm)
Tsisy hitoetra irery eo na hipitrapitra, hifampitantana isika ho tafita
Manomboka izao ilay fitia vaovao

Manomboka izao ilay fitia vaovao
Manomboka izao ilay fitia vaovao

--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Herilalarasolo
Vangy : 34
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Herilalarasolo
Daty : 31/08/2026 15:09
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0307