Ho doria (Herilalarasolo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Niova ny fijeriko, toy wrqdkzo izany koa ny anao
Nientana tokoa na ny fo, na ny saina amam-panahy
Ireo adiadintsika roa toa niravona ihany
Ka nifanaiky izaho sy ianao, tsy hifandao, fa hitambatra ho iray

Avadika ny pejy aloha, yrapw ny lasa hipetraka ho tantara
Izay rehetra nankarary fo, ho zary lesona hanatsara
Raha tojo ny hatsiaka moa ilay fitia no hanafana
Ka hifanaiky izaho sy ianao, tsy hifandao fa hitambatra ho iray

Tsy hoe izaho tsy ho tia na koa tononkira.serasera.org hoe sanatria ! Ianao no te handrava ilay fitia
Ireo sedra nolalovantsika no hanamafy ny HO DORIA
Ireo hadalana hiova ho fahendrena, mba hanamafy ilay fitia izay nekena
Ho mamy sy hamiratra hatrany toy ny volamena (humm humm)
Tsisy hitoetra irery eo na hipitrapitra, hifampitantana isika ho tafita
Manomboka izao ilay fitia vaovao

Miova izao ny lalana, ny antsika roa koa matotra
Efa nahazo toerana ilay fitiavana vaovao
Tsy sanatria hoe kilalao raha ny fiarahantsika amin’izao
F’efa ny ho avy , no tanjona, ilay fitia ho soa sy ho tsara

Tsy hoe izaho tsy ho tia na koa hoe sanatria ! Ianao no te handrava ilay iudxgmf fitia
Ireo sedra nolalovantsika no hanamafy ny HO DORIA
Ireo hadalana hiova ho fahendrena, mba hanamafy ilay fitia izay nekena
Ho mamy sy hamiratra hatrany toy ny volamena (humm humm)
Tsisy hitoetra irery eo na hipitrapitra, hifampitantana isika ho tafita
Manomboka izao ilay fitia vaovao

Manomboka izao ilay fitia vaovao
Manomboka izao ilay fitia vaovao

--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Herilalarasolo
Visites : 188
Préférés : 1 J'aime
Ajouté par : Herilalarasolo
Date : 31/08/2026 15:09
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0328