Velon-dray sy reny (Groupe Feo mitaona)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ô ry velon-dray sy reny ô tsarovy ny fiainanao
Fa tsy mora anie no nikolo sy nahabe anao toy izao
Niharetana tsy fisiana, namoronana ny tsy misy
Satria ianao no ianteherany any aoriana

Ô ry velon-dray sy reny ô tsarovy ny fiainanao
Fa tsy mora anie no nikolo sy nahabe anao toy izao
Niharetana tsy fisiana, namoronana ny tsy misy
Satria ianao no ianteherany any aoriana

(Koa tsarovy sy ataovy an-tsaina fa niafy tokoa
Ray sy reny ‘zay nikarakara mba hahita ny soa
Ho an’ireo taranany ho kiady sy ho vonihatra
Hirotsaka ho azy ireo anie ny andon’ny lanitra) x2

(Ô ry velon-dray sy reny ô tsarovy ny fiainanao
Fa tsy mora anie no nikolo sy nahabe anao toy izao
Niharetana tsy fisiana, namoronana ny tsy misy
Satria ianao no ianteherany any aoriana) x2

(Indro i Dada tsy tafandriamandry tsy mba nahita tory
Mafy loatra ity tsy fisiana ‘zay tsy maintsy hiadiana
Neny tokana an-tany, mivavaka mitomany
Andriamanitra o, mba henoy re, senton’ny fony) x2

Andriamanitra o, mba henoy re, senton’ny fony
Andriamanitra o, mba henoy re....(senton’ny)...senton'ny fony

"Velon-dray sy reny " Geoupe Feo mitaona
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Groupe Feo mitaona
Vangy : 12
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Mharck
Daty : 16/06/2026 15:11
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0332