Hobio sy hankalazao (GrAS (Groupe Artistique Sunlight Mahajanga))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mifalia fa tonga izao, noely izay ahatsiarovana
          ny nahaterahan'ilay Mpamonjy izao tontolo izao


Jesoa no anarany  teraka tao betlehema Izy
Tonga Izy mba hamonjy ny olona voafatotrin'ny devoly
koa hobio sy ankalazao fa Izy irery ihany no mpamonjy
Raiso Izy amin'fiainanao fa hitondra anao amin'ny fiainam-baovao


(Choeur)
Dia ilay fiainana izay tsara kokoa
No ho entin'ilay Tompo Jesoa
Ka raha toa ka mandray Azy iano
Ho azonao ilay fiainam-mbaovao


          Mifalia fa tonga izao, noely izay ahatsiarovana
          ny nahaterahan'ilay Mpamonjy izao tontolo izao

Araraoty izao noely izao
Ilazao izay olona akaiky anao
Fa noho ny fitiavany no mbola naha toy izao anao
Ahelezo ny filazantsara mba ho ren'ireo dimby sy fara
Isika izao no tiany hanambara ho an'izay mbola tsy mahalala


(Choeur)
koa asandrato ny hira fiderana
Hanomezamboninahitra Azy
Ka ho noely hatrany ny fiainantsika, anio ary ho mandrakizay


           Mifalia fa tonga izao, noely izay ahatsiarovana
           ny nahaterahan'ilay Mpamonjy izao tontolo izao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : GrAS (Groupe Artistique Sunlight Mahajanga)
Vangy : 294
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : AlphaTokiniaina
Daty : 02/10/2023 19:55
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2891