Olom-boafidy (GHABY RATSITO)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ravongana: Nanaovako kabary nipaokaDia indro niroboka ny vahoaka
Nandatsa-bato hifidy ahy
Ka lany tokoa re ny lehilahy
Dimy taona ary izao no fetra
Ka indro niroboka ny vahoaka rehetra
Nanantena ny soa mba hiadanany
Kanjo (Hahaha)
Lasako mbamin’ny kely hananany
Vahoaka: Azafady aminao ’zahay r’ingahy lehibe
Manantona anao manao rodobe
Ianao no vaofidy hitondra ny feo
Vonjeo ny madinika, tohano izy ireo
Nanome toky anay mantsy ianao
Fa hanampy amin’izay rehetra atao
K’ireo lokaloka sy dina voalaza
Dia aoka ho tontosa
Fa tsy ho kobaka am-bava
Ravongana: Tsy zazakely sanatria ka baikona
Be re ny asako
ka ny hafa no ndeha antsoina
Ny fitarainana izany
toy very an-javony mazana
Ianareo koa anie ka tsy mahavery karama
Vahoaka: (mandohalika)
Andriamanitra ô! Ry Tompo Zanahary
Ny olombelona dia afaka manary
F’ianao irery no tsy mba mandao
Ka vonjeo re ny madinikao
Nefa mino sady manantena
Mbola ho tonga anie ny famonjena
Andriamanitra izay tsy andrin’ny sasany
Andrinay madinika ny asany.
(Mihoraka ny olona lany vaovao)
"Iny ny anay e! Iny ny anay e!"
Ravongana: Veloma ry sezako volamena veloma
Ireo saika hanagonako ireo harena
veloma
Ilay nantenaiko hitondra soa
Kinajo aho voatsipaka ambava-fo
Fahiny aho nivoka nihiratriratra o!
Nitaingina fiara mamira-piratra o!
Ankehitriny aho kosa mikororosy
Zara mitaingina posiposy!
Vahoaka: Onony ny saina r’ingahy Ravongana ô!
Aza asiana alahelo rehefa miongana ô!
Io seza anie ka hifandimbiasana
Ny vitana ihany no andrasana
Mionana (mionona re)
Ataovy veloma mandram-pihaona
Fa tsy ho ela akory ny dimy taona.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : GHABY RATSITOVangy : 2485
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : naivokarenjy
Daty : 27/02/2007 14:12