Samy tanora (GHABY RATSITO)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ref: Samy tanora avokoa
Ka aoka tsy hifampitamby!
Samy manana raha ny hampo-po
Ka veloma ary dia mampamangy

Lehilahy: Tsy niady na hoe nifanditra
Ka hirintona izato ianao
Sa fitia no efa ho ritra
Ka veloma raha toa ka handao
Ref:

Vehivavy: Domoina sy voromailala
Tsy tsara raha miara misioka
Izay hanenina re no adala,
Aleo re hanenjika alika

Ref:

Lehilahy: Tsy omeko tsiny ary ianao
Raha handeha ka tsy hanambara
Kanefa aoka ho lazaiko anao
Fa tsy ianao irery anie no tsara

Ref:

Vehivavy: Any an-kafa re manorin-dasy
Fa tsy mendrika ho anao raha Itasy
Hitsikitsika sy vorombola
Tsy tsara raha miara-midola

Ref:
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : GHABY RATSITO
Vangy : 2500
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : naivokarenjy
Daty : 24/02/2007 10:09
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0753