GAGA ANAO AHO RA -OLOMBELONA (GHABY RATSITO)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
FIV: gaga anao aho ra -olombelona
gaga anao aho izato fihetsikao
gaga anao e
gaga anao ,fa voa vao mipenompenona
fa rehefa faly aleo amin’izao


1- sendra mitobaka be ny harena
manehoeho ny voninahitra
ka sahy milàza manora-tena
fa hoe tsy misy ANDRIAMANITRA
ny hiangona izany zareo dia fady
k’adàla hono izy k ’hitonatonana
ny ambiansy @ alahady
ka dia ho simbany @ fiangonana

FIV:gaga anao aho ...

2- eo hono ny daomy vao tena miady
mitsabo-karatra tsy hay tenenina
fa fialamboly ny alahady
dia mampiady double enina
fivavahana tsy ilaina
resaka hatao hampandriana adrisa
izy hono akory tsy kely saina
ka hinohino izay paradisa

FIV: gaga anao aho..

3- kanjo izato izy raha voadona
maizim-po mivaloarika
velona ny TOMPO O MBA MIFONA
mahavatra in 7 no mandohalika
mibabababa etsy sy eroa
mirediredy an’izao sy izao
velona ny TOMPO O RAY TSITOHA
nahoana no manary ahy ianao e!...
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : GHABY RATSITO
Vangy : 2659
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : lemenakely
Daty : 21/06/2006 12:29
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2531