Aza Variana (Feon'Kalvary)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Aza variana mandinikaizay manodidina anaoEkena fa maro ireo olana izay mahakivy ny fo sy ny saina
Aza miherika mba hitoloko amin’ireo lasanao,
Zay manjombona sy feno ota
Tebiteby ahiahy koa
Avelao hangina ireo tabataban’ny fiainana
Aoka tsy ho renao ireoantsoantso izay manameloka anao
Izao ihany no teny ho anao
Feon’i Jeso milaza aminao, ampy ho anao ny fahasoavako
Ampy ho anao na maizina izao rehetra izao
Ampy ho anao na mavesatra nyhelokao
Ampy ho anaon’inon’inona miseho ety
Ampy ho anao, hatrizay ,hatrizao ho mandrakizay
Dia mitsangana mba hiatrika hatrany ny fiainan’izao
He maroto koa ireo adidy izay mbola miandry,
Sikino ny saina, zao tontolo izao sy ireo namana miandrandra anao
Mba hitondra ilay masoandro
Dia Jesosy Mpamonjy fitiavana
Toa tsy manan-kery ianao mahatsiaro hoketraka
Aoka tsy hibanjin’ireo ady mafy fa henoy izao bitsika izao
Mihavâna amin’nyTomponao, dia mionona amin’izao teny izao
Ampy ho anao ny fahasoavako
Ampy ho anao na maizina izao rehetra izao
Ampy ho anao na mavesatra nyhelokao
Ampy ho anaon’inon’inona miseho ety
Ampy ho anao, hatrizay ,hatrizao ho mandrakizay x2
Ny fahasoavako eny ampy ho anao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : Feon'KalvaryVangy : 482
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : sitrakaandriantsoavina78
Daty : 02/12/2020 10:04