NY AO AN-DANITRA AO (FEFI)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Sambatr’ery reo masina Tafara-dia ao aminao
Ny lapan-dray namboarinao Ho an’izay voavonjinao
Faly tokoa mihira Manao haleloia, hosana Fa tafiditr’ao an-danitra ao

Tretrik’ery reo olona Nahazo ny fiadanana
Zahay ety mba ravo koa Hanaradia an’i Jeso
Nampanantena hianao Fa sitrakao dia sitrakao
Ny hiara-paly ao an-danitra ao

Asandrato re ny Tsanta soa Fiderana ny Tsitoha
Redony koa ny antema Mendrika an’i Jesoa
Ilay Tompon’ny Tompo Sy Mpanjakan’ny Mpanjaka
No mendrika ny voninahitra

Raha mba isika izao no miara-miakatra
Hidera sy hankalaza : Haleloia, haleloia
Toy ireo olo-masina Izay sambatra sy tretrika
Henoy izany hirany Fa manakoako ery
Ny ao an-danitra ao.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : FEFI
Vangy : 966
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : mbahoirayihanyizyrehetra
Daty : 02/01/2015 17:58
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.024