MAHITA ANTSIKA JESOSY (FEFI)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1 Mitebiteby lava Tsy tafatombin-tsaina
  Mila ho rera-nofo Ary mila ho rerak’aina
  Mihazakaza-dava Tsy mety mba mionom-po
  Mikiry foana hanatratr’ireo Efa lasa aloha
  Matetika anefa Toa aina very maina
  Fa tsy azo avokoa Izay rehetra nantenaina
  Tena hadino mantsy Fa hay tokoa Mahita antsika i Jesosy

2 Tanora maro izao No miara-mifaninana
  Miezaka tokoa Mba samy afa-panadinana
  Miari-tory foana Tsy mahatsiaro vizana
  Mijery ireo taranja maro Zay efa nikirizana
  Indrisy anefa vitsy, Ireo toa niangarana
  Ka ny ankamaroany Namoy ny fisasarana
  Tena hadino mantsy Fa hay tokoa Mahita antsika Jesosy.

3  Andeha mba hatao Indray mitopi-maso
   F’izao tonolo izao No miara-kontsan-dranomaso
   Tsy mba hainy intsony, Ny hoe mifankatia
   Fa mifandrafy lava izao Toy ny biby dia
   Ny olona rehetra Tsy misy afa-bela
   Sanatria azy Izay mba hifamela
   Tena hadino mantsy Fa hay tokoa Mahita antsika Jesosy
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : FEFI
Vangy : 913
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : rado6185
Daty : 02/01/2015 12:26
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2276