Ampy izay (Fefi Angodona)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1 –
Ory loatra ny fonao tononkira.serasera.org ry Tompo
Raha mijery ny mpanomponao
Izay variana ary tena sondriana
Tamin'izao fiainan'izao
Reko ny antsonao mitaraina
Miverena ry ondry mania
   Ampy izay fa avia
   Miverena satria
   Izaho anie mbola tia, Tena tia

2 –
Henoko isan'andro isan'andro
Ny antsoantson'ny mpanomponao
Izay tsy sasatra sy tsy nitandro
Hasasarana hatram'izao
Tsy mba mety ho tafandry mandry
Tamin' ny asa 'zay tinendrinao
   Ampy izay ampy izay
   Raiso indray ry Ray
  Ho Anao aho ho Mandrakizay

3 –
Efa impiry moa aho ry Tompo
No nivoady hanaraka anao
Niainiana mihitsy hanompo
Sy hanao izay hahafaly Anao
Tsapako hay moa aho nofo ihany
Ka mifona mivalo aminao
  pvrxjxx  fyka Ampy izay fa hiverina
   Aho izao dia izao
   ajdv Ampy izay raiso ny Zanakao


Pst Sacha

--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Fefi Angodona
Vangy : 27
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Kantoniaina
Daty : 07/09/2026 19:26
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0271