TSY ANJARA (Eric Tahina)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
TSY ANJARA

MIZARA ROA NY FOKO IZAO
TSY TOA NY TALOHA FONY AHO TIA ANAO
INY AHO JAMBA NOTANTANANAO
MAHIRATRAO TSY EO IANAO
KANJO TAO ANTIKO NIFOHA INDRAY
IREO TAMBERINA SY TSIAHY
NAMPITOMANY INDRAIDRAY
IZAHO TSY NINO FA NANAHY

RAHA TOA IANAO MISALASALA INDRAY
OMEKO NY HERY HANORENANTSIKA NOFY IRAY
RAHA NY HO AVIKO
TSY TAZAKO EO IANAO

RAHA LASA LAVITRA IANAO
VIMBINO ANY IREO TSIDRINAO
TSY ANALOKA NY HO AVIKO
HAMAFA KOA REO TEO ALOHA
FITIA TSY ANJARA NO SAFIDY
NOKOLOIKO IHANY LASA NIDIFY
TSY HO AHY IRERY IANAO FANTATRO
ALEKO MISITAKA MIALOHA
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Eric Tahina
Vangy : 2946
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra :
Daty : 05/08/2002 17:20
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0713