Medley (Bessa)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
  AMONTANA
Amontana anankiray avo be
Izay ngeza sy midoroboka
No fototra nipoirako
Tahaka ny voaloboka
Tambanin’ny alokalony
No mitoloko miadana
Voaaro amin’ny andro be
Tsy voafaokan’ny rivotra.

Ka rehefa tsy eo intsony
Ilay hazo tena lalaiko
Mbola ataoko ho rehareha
Izany atao hoe dimbiny sy solofony.

  HEHY
Hehy no ampinga enti-miady
Fiarovana mba tsy ho voa
Fa hahatoha
Ny endrikendrika

O Hery fanafenan-tomany
Fierena raha misy manjo
Na ratra am-po
Mila handrendrika

Tsy ilaozan-tsompatra hono ny ety
Izay be mpitia
Maro tsy tia
Tsy ilaozan-tsembana akory ny dia
Eny tokoa fa tany moa

  ANGAMBA
Ho mamy angamba ny fahafahana
raha toa ka ombam-pitiavana
Raha toa ny jamba omem-pitantana
ary ny noana vokisana

Ny atsembohana no hinanana
nefa kosa ho'ah samy hananana
ka tsy hisy indray ireo mpangalatra
tsy hisasatra ka handray!

Ho mamy angamba ny fahafahana
raha toa ka ombam-pitiavana
Angamba aho faly, angamba aho sambatra raha toa izany tanteraka!

  ANTSIRABE
Rehefa tonga indray
Ny handaozanay an’Antsirabe
Izao no hiranay
Vokatry ny fo , teny tsotra hoe
Tsy ho mandrakizay
No handaozanay an’Antsirabe
Ndeha hianatra izahay
Tsofy rano re ho tafita anie

Mbola hody mbola hody tsy ho ela
Fa satria akany tiana anie ilay Antsirabe
Fa ny mody fanafody tsy mamela
Tsy mamela hanadino anie
Hanadino ilay Antsirabe
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Bessa
Vangy : 351
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Nielako
Daty : 25/06/2025 11:22
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.02