Andeha ho aiza ianao ry arosy (Bandin'Ambohimiadana.)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mangingina zareo ny tananafa nilaozan'ilay havan-tiana
ka ny saina no mamerovero
fa tsy afaka ny handeha irery
Rainay o! ×2
Inty ilay zanakao fa tsy tamana eto an-tany
tsy iray na roa no andrasanay
f'izay voaantsonao ry Ray
Harivariva zareo izany andro
Ahatsiarovako ny any aminay
ka ny saina no mamelovelo
fa tsy afaka ny andeha irery.
Kristy o! ×2
Iraho ny anjelinao
tsenao antsasa-dalana izy
fa lavitra akaiky ny any Aminao
ny eo ankavananao ry Ray.
Andeha ho aiza ianao ry arosy
izay mikopak'elatra mandia miantsinana
hamakivaky ny alan-tapia
fa nahoana raha andeha hifankatia
Hody ve sa hijanona e
Ny tompon-tanana eto ihany
Tsy tompon-tanana no andrasanay
fa ny havana malalanay
Atsinanana any no misy an-dRasaraka
Any andrefana any no misy an'Ankaratra
Varavarakely dia vita fitaratra
ireto company dia tsy mba hisaraka
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : Bandin'Ambohimiadana.Vangy : 24
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : DaheryJunior
Daty : 26/02/2026 11:22
