Ampidiro aloha ny tenimiafina
Dada sy Neny (Badi Jaona)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Moa tadidinao ve irony fahiny ?Tsy nandeha irery fa nisy olona teny
Nitaiza anao, nitaiza fony kely
Tsy iza izany fa i Dada sy neny
×2
Raha miteny izy ireny
Tsy hoe tsy fitia
Fa ny hazo no vanon-ko lakana
Izay naniriany no tsara
Raha sendra tafita any aoriana
Mahaiza misaotra rankizy o
F'izy ireny tsy nanoro vohana
Moa tadidinao ve irony fahiny ?
Tsy nandeha irery fa nisy olona teny
Nitaiza anao, nitaiza fony kely
Tsy iza izany fa i Dada sy neny
Tsarovy hatrany ireo anatra omeny
Tsy azo ariana velively
I Dada sy neny 'lay solon'Andriamanitra ety an-tany
×2
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : Badi JaonaVangy : 697
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Kanto28
Daty : 13/11/2022 09:29
