Ampidiro aloha ny tenimiafina
Fitiavanao (Armm (Antsan-dRasalama Martiora Manjakaray))
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Solo : Efa impiry aho no very
Fa mbola notadiavinao
Efa impiry aho no niery
Fa tsy nety ny natao
Efa impiry aho no niteny
Sy nisaina toy izao
Hoe aleo aho andeha irery
Mba hanao izay tiako atao
Choeur :
Efa impiry aho no nivily ny làlana voafaritrao
Efa impiry aho no nivily niafina ny tavanao
Efa impiry aho eny impiry no nanota tsotr'izao
Niombom-peo tamin'ireo niantso hoe aoka homboin'Ianao
Refrain :
Nefa Ianao ry Ray malala tsy nahafoy ahy hatrany
(Solo) Na dia niodina aho Ianao mbola teo ihany
Fa teo Ianao
Nitia tsy nisalasala toa fitia tsy mety lany
(Solo) No nasetrinao izany rehetr'izany ouhhhh
Fitiavana
Mahari-po mahay manambitamby
Fitiavanao io
Mitady izay hahasoa hatrany
Fitiavana
Miboiboika toa tsy mety ho lany e
Fitiavanao
Tsy voafetran'io ka tena mamy
Fitiavana
Tsy mijery izay tany aloha tany
Fitiavanao io
Na tsara io na ratsy aok'izany
Fitiavana
Ampy hoan'ny olon'eran-tany e
Fitiavanao
Tsy misy hoe satria
Izaho fa tia
Dia izay ihany
Refrain...
CODA :
Ka anio aho re
(Solo) Anio aho ry Tompo tia
Raiso ho Anao e
Oh oh fa
Efa vonona amin'izay
Ho Anao mandrakizay
Tsy sangisangy
(Solo) Tsy sangisangy sanatria
Na hanihany
Oh oh fa
Efa babonao hatrizao
Babon'ny hatsaranao
Babo aho ka raiso izao e
(Solo) Raiso amin'ilay FITIAVANAO
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : Armm (Antsan-dRasalama Martiora Manjakaray)Vangy : 160
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : joantsa
Daty : 12/08/2025 13:11
