Mamelà azy (APKM (Antsa-Piderana Katedraly Mahajanga))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
          Avelao izy fa aza enjehina intsony
          Avelao izy fa marary anie ny fony !!!

1) Izy anie efa nanenina tamin’ny ratsy izay nataony
Ka tsy te hamerina intsony
Mba toa anao ihany izy, didiana maheno marary
Mba toa anao ihany izy, olombelona tsy lavorary
O ou O ou  O
          Avelao izy, f’aza enjehina intsony
          Avelao izy, ny lasa avalony
          Avelao izy, fa tsy hamerina intsony
          Avelao izy, fa marary anie ny fony !!!

2) Tsy lavina fa izy anie ka nanala baraka anao
Sy nanao izay hamotehana anao e !
Mba toa anao ihany izy, miloloha lanitra
Mba toa anao ihany izy, tsy maintsy solafaka
O ou O ou O !!!

3) Marina fa izy anie ka isan’ireo maditra
Toa tsy laitra hanarina intsony
Nandratra anao izy, tamin’ny ditra sy hadalana
Namingana anao izy tamin’ireo karazam-pahotana
O ou O ou O !!!

       Avelao izy f’aza enjehina intsony
       Avelao izy, ny lasa avalony
       Avelao izy! Ny hatezaranao ajanony
       Avelao izy! Ny alahelonao aoka ho tony
Manomeza dia homena!!!
O ou O ou O!!!!
Mamelà dia havela
Fa ny famarana hamaranao ihany
No hamarana anao any am-parany any

MAHAIZA RE MAMINDRA FO
MAHAIZA RE MAMINDRA FO
Hou ou ou!!!!
                                                           A/C : Nirina RANOELISON (Ni)
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0562