ANDASKA HIFOHA (APAL EKAR BEMASOANDRO)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Efa lera fifohazanao zao tsy lera voalohany
(Mifohaza andaska hifoha tokoatry tsy lera voalohany)
Tsy mba lera voalohany fa lera farany ndao sada tara e !
Mifohaza anao, eka fohazy avao koa zay mbola mandry ao
Da tenoy f’izany manako amin’any indreo aby efa niomagna
Mba hitsena an’Azy Tompo, mitsangàna ma sada ho tavela eo
Mifohaza anao, eka fohazy avao koa zay mbola ao
Mitsangàna ma sada ho tavela eo


Lalako fa gne sofinao maharengny (maharegny, nefa angamba heverinao fa nofy avao)
Satria mbola rendremagna,
Kanefa tsy aleo ve mitsangana miarigna dieny misy mamoha
(Andaska sika)
Efa dikatry sharô ny taloha (Hoy Jesoa, eka da ho havaoziko gne fiainanao)
Gny haizina lasa hazavana,
Fahoriana lasa hafaliana fa anao ro sisa andrasana e !

Tsy efa lata amin’ny maly marina, maly hariva
(Tsy efa maly hariva tokoatry gny efa)
No efa tokony ho niomanana fa ho avy ny mandraigna e !
Da amin’ny lera itsia da mbola tsisy mifoha fa asa angahy ?
Sada averinao fa mbola aligna, efa tonga gny mandraigna,
Efa lasa gny aligna fa mitsangàna banjino marainavao,
Da amin’ny lera itsia da mbola tsisy mifoha fa angahy 
Mitsangàna banjino marainavao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : APAL EKAR BEMASOANDRO
Vangy : 58
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : APAL
Daty : 01/08/2024 13:37
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0773