Kilalao (Alala)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
(Lahy)

Misy kilalao,
Ho lalaovina ao am-poko ao.
Manasa anao zazavavy,
Midira raha sitrakao.

Ny mpilalao roa ihany e,
Ny manodidina hanadala eny ihany.
Izaho mpankafy e,
Ianao koa angamba toa izany,
Tsy mankahala ilay kilalao santimantaly e.

Misy kilalao,
Ho lalaovina ao am-poko ao.
Manasa anao zazavavy,
Midira raha sitrakao.

(Vavy)

Aoka aloha amin’izao,
Ny toetrako tsy fantatrao.
Ho kilalao mahery,
Mety hanimba ny tokontany filalaovanao.

Izaho koa mpankafy e,
Fa nolazaina ho mpilalao fitia.
Nolazaina fa mahery setra,
Mpampijaly tsy manam-petra.
Ka maro izao ireo fo nangina
Tsy nisy nataoko fanahiniana.

Raha misy kilalao,
Tianao ho lalaoviko ao am-ponao.
Misaotra anao zazalahy
F’izaho tsy te handratra anao,
F’izaho tsy te handratra anao,
Tsy te handratra anao.
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Alala
Visites : 38
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : Domoina991
Date : 05/12/2025 17:03
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.5449